4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Alina paris - Jeroma Randria

Maizina sady mangatsiaka

Ny amin’ny enina ririnina

Ora firavan’ny mpiasa

Mihaohao ery ny mpandeha

Tototra fiara ny arabe

Alina ririnina mitabataba



Jiro an’alin-kisa maro

Fotsy, mena, ny hafa koa

An-dàlana, an-trano

Hatreny amoron-drano

Izay sendra mba aleha

Na magazay na café

Toa foara avokoa etsy sy eroa



Fiv:

Alina Paris (2) mihira ny fitia

Fitia tsy mety maty

Miaina ao anaty

Fitiavana ilay tany nihaviana

Tanindrazana malala tena tiana

Eritreritra sy vetsovetsom-po

Indray mitraotra ho azy avokoa

Anivon’ny mamiratra ny taniko no laniko

Tsy manam-paharoa

Hafa mbola hafa, mamy tena mbola mamy

Alina Paris (02) mihira ny fitia



Na alina aza ka mangatsiaka

Ny toerana malaza dia sariaka

Toa fety lava, miravaka hazavana

St Germain, na Champs-Elysée

Pigalle sy ny hafa be dia be

Mifanjevo samy revo mikoràna



Matetika an-dalana eny hitanao

Mpihira na mpandihy milalao

Arahin’ny gitara na koa ny angorodao

Ny mpifankatia moa mahazatra anao tokoa

Fa mifanorokoroka etsy sy eroa



Fiv: ...

Partager alina paris

Commenter alina paris

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jeroma Randria