4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fitia fararano - Jeroma Randria

raha lazaina aloha, hafa ihany koa

indray sabotsy hariva izay tao an-trano



izaho irery moa, sorena be tokoa

varimbarin’alahelo toy ny mamo



teo am-parafara, teo ny valiha

sarinao, penina sy taratasy

te hanoratra aho, te hihira koa

mifangaro anefa ireo tao am-po



tsy tsaroako akory, renoka aho natory

nanonofy toa nahita anao hatrany



nifoha aho avy eo, injay toa nisy feo

vetsovetso mba voasoratro ihany



teny ankiroa, efa fantatrao

nosoratako tamin’ny sarinao

teny kely ihany, teny tena mamy

mitory hasambarana tsy lany



teny tena mamy toy ny loharano

miritsoka fitia manganohano

toa feom-baliha fararano...

Partager fitia fararano

Commenter fitia fararano

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jeroma Randria