4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Bibilava - Jeroma Randria

Dia tao an’ala tao no nandrenesako ’lay feo

Nikiakiaka ianao (vonjeo)² ô!ô!ô!ô! (vonjeo ô!)²

Niazakazaka aho nijery dia hitako ianao

Toa manao vy very mbola miantso hoe

(vonjeo)² ô!ô!ô!ô! (vonjeo ô!)²



Tazako taorinanao bibilava ngezabe

Bibilava ngezabe, lavalava lelabe

Saika hiantsampy taminao

(Hay hay hay e!)3 Vonjeo hoy ianao

Voaraiko teo ny antsy ka natorako azy io

Ny lohany voafantsy dia maty teo ilay io

(Ô!ô!ô!ô!ô!! ô!ô!ô!ô!)²



Tsy vita teo ny tantara fa nandositra ianao

Nihikiaka nitomany (vonjeo)² ô!ô!ô!ô! (vonjeo ô!)²

Fa raha nandre izany ireto bandy dimy lahy

Langilangy sy tavoahangy no teny an-tànan-dry zalahy

(vonjeo)² ô!ô!ô!ô! (vonjeo ô!)²



Fa vao tazany ianao vehivavy toy izao

Dia nariany ny tavoahangy ary koa langilangy,

avy izy dia nisangy

(Hay hay hay e!)3 namaly ianao

Ny iray voadakanao nitsikasina amin’ny tany

Ny roa natsipinao nisavoana ambony ambany

(Ô!ô!ô!ô!ô!! ô!ô!ô!ô!)²



Fa ilay bandy ankiroa avy dia nibeda anao

Izy ireo indray no voa fa niantso hoe

(vonjeo)² ô!ô!ô!ô! (vonjeo ô!)²

Teo vao tena gaga aho hay ianao judoka

Saingy ny atahoranao sady andosiranao

(Bibilava ngezabe, lavalava lelabe, hay hay hay e!)3

Partager bibilava

Commenter bibilava

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jeroma Randria