4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tiako ianao - Jeroma Randria

N’aiza n’aiza ianao, hotsarovako

mandra-pialako eto an-tany.

N’aiza n’aiza tany, halehako

tsy hanadino anao ny foko!



Tiako iano, tiako ianao,mamiko

nefa ankehitriny, hifandao izao isika izao !

Ny lavitra anao, tsy tantiko :

Eny tiako ianao, mandra-pahafatiko !



Izao tontolo izao, azo hodiavina avokoa

nefa mbola hahitako anao !

Tsy fantatro anefa ny ho avy sy ny ampitso

koa izao no vetsovetsoko ho anao :



Tiako ianao, tiako ianao,mamiko

nefaq ankehitriny, hifandao izao isika izao,

ny lavitra anao, tsy tantiko :

Eny tiako ianao, mandrapahafatiko !

Partager tiako ianao

Commenter tiako ianao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jeroma Randria