4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Iray minitra monja - Jeroma Randria

Ny iray minitra monja, tsy eo anilanao

Toy ny zato taona

Ny alina ao am-ponja, raha eo anilanao

Manjary lohataona

Tebitebin-tsaina lavitra anao

Tsy zakako lanjaina

Izany re ry aiko no tsapako hatr’izao

Ka sahiko lazaina



Iny lanitra iny homeko anao

Iny volana iny hataonao kilalao

Tsy ho ekeko intsony hatr’izao

Ny hoe mba tsy eo anilanao

F’amiko izao tontolo izao ianao



Ny iray minitra monja, tsy eo anilanao

Toy ny zato taona

Ny alina ao am-ponja raha eo anilanao

Manjary lohataona

Tebitebin-tsaina lavitra anao

Tsy zakako lanjaina

Izany re ry aiko no tsapako hatr’izao

Ka sahiko lazaina



Mamiko ka mamiko, ny hiaraka aminao

Sahiko katsahiko, ny hanao izay sitrakao

Eny fa ny tanin-drazanao no hanjary tanin-drazako

Ka ny fasana hilevenanao no ekeko ho fasan-drazana

Partager iray minitra monja

Commenter iray minitra monja

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jeroma Randria