4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fitiavako ianao - Jeroma Randria

Toa nofinofy ihany  ny fotoana mamy nahitàko anao

nambabo ny fanahy sy nanintona ahy mba ho tia anao

nidiboka ny fo atao ahoana moa no nilàza izany ianao

ianao izay vahiny izay vetivety iny  moa ifanomezan-tsiny

saingy hatrizay dia mivaivay hafa taminao

am-bolana aman-taona mitempo ao foana

FITIAVAKO IANAO



tsy fantatro mihintsy izaho tia anao

ny fiainako tsy misy raha toa tsy nisy anao

tsy fantatro ny marina manadàla ahy toy izao

tsy ilaiko ho fantarina izaho tia anao



ny ora-mikoriana ny alina mangina izaho nitady anao

ny ho avy  tsy ho voafetra ny ampitsoko rehetra efa lasanao

raha toa tsy an-tsafidy ka mafy sy mangidy ny ao ambadika ao

raha sanatria izany zakaiko hatrany hatrany moa mateza ny tomany

mivavaka aho mazàna hatrany am-piasàna eny ho anao

ny saiko tsy mirona na inona hidona

FITIAVAKO IANAO



tsy fantatro mihintsy izaho tia anao

ny fiainako tsy misy raha toa tsy misy anao

tsy fantatro ny marina manadàla ahy toy izao

tsy ilaiko ho fantarina izaho tia ano



omeo fitiavana aho fa tiako ianao

lzao fitiavana aho f’izaho tia anao

ambarao  fitiavana aho fa mamiko ianao

FITIAVAKO IANAO @ izao tontolo izao...

Partager fitiavako ianao

Commenter fitiavako ianao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jeroma Randria