4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Vonoy ny anarako - Jeroma Randria

’Lay tonon-kira nosoratako ho anao fahiny

Rahatoa ka misy ny soniako any, aza tsiny

Mba angalao gaoma kely ange ka azafady fafao

Vonoy ny anarako

Tery am-pototr’ ilay hazo iray falehantsinka

Nasiako sary fo iray hoe fo iraisantsinka

Voasikotra eo ny anarantsika roa,

ka raha mandalo eo ianao

Vonoy ny anarako

Izao no hevitra efa tapaka

Fa mety isika raha misaraka

Tsy ’zaho rery no nifidy fa ianao koa

Nandramantsika ny namerina

Ilay fitia, fa tsy niverina

Ka aoka izay fa atao ahoana moa

Tsy anjara angaha ny antsika roa

Tantara sisa no tavela fa tsy hay vonoina

Ny lasantsika anefa aoka mba ho hadinoina

Koa anafarako anao izao : rehefa tsy ho anao

Vonoy ny anarako

Satria efa noroahinao hiala tato ampoko

Ilay fitia nomeko anao kanjo zary toloko

Dia olon-kafa indray no niditra ao

Nitondra aina vaovao, vonoy ny anarako

Na ao anaty diarinao, na eny ambany sary

Na eo imolotrao na any anaty fo marary

Na any anaty kalokaloko sy hirako aza dia izao :

Vonoy ny anarako.

Partager vonoy ny anarako

Commenter vonoy ny anarako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jeroma Randria