4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Manirery - Jeroma Randria

tao anaty fahanginana

no nihirako anao

ireo hirahira

sy ireo kalokalo tsara indrindra

tao anaty fahanginana

no nahatsapako

ny afon’ny fitiavako

tia anao

mirehitra tsy mety maty ato am-poko

ho anao

toy ny sambo kely an-dranomasina mangeniheny

tsy matahotr’onja na manahy sao dia ho very eny

manatena ihany ny ho tody hatrany

hahita ny seranana

toy izany ny vetsovetso-poko singany ety

ho anao

ka na manirery aza aho

ry sombinaiko

tsy miova akory ny fitia

izay nolalaiko

na ho haingana na ho ela izany

eny tia anao

toy ny sambo kely an-dranomasina mangeniheny

tsy matahotr’onja na manahy sao dia ho very eny

manantena ihany ny ho tody hatrany

hahita ny seranana

toy izany ny vetsovetso-poko singany ety

ho anao

Partager manirery

Commenter manirery

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jeroma Randria