4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Rakoto matolo - Jeroma Randria

(Hira rodobe)



Ho takona, tsy ho tazana any ambadika any ho any

Ilay tananako,

Ho saraka, tsy ho hita hanoloana ny tavako

Ireo havako,

Hofan-tànan’olon-tiana, kopakopaka mosara

No hilaozako

Morontsiraka mafana, tora-pasika mandoro

No hovantaniko



Any an-dranomasina, any ambany lanitra mangina

No honenako

Alin-kintana amam-bolana sy rivotra madio

No malalako

Eny an-tokon-tanin-tsambo miaraka amin’ny gitara

No hirako

D’ireo hira izay fikalo, ireo hirahirantsika

Tena mamiko

  

       Veloma ry Iarivo, ry Iarivo mamin’ny fo

       Veloma mandra-pihaona, tsy hanadino anao

       Rakoto matolo

       La-la-la-......



Raha sendra embonembona any ka voatonona

Ny anarako

Dia tsarovy fa manjohy anareo any koa ny eritreritro

Ireo sarin’ny sakaiza sy ny sarinao ry tiana

An-doha fandrianako

Isan’andro vao mifoha, na halina hatory

Ho voajeriko



(modulation  tonalité + 1/2 ton)



Mety ho taona maro angamba, eny mbola tsy ho voafetra

Ny hiverenako

K’aza malahelo foana fa antenaiko hisy fihaonana

Anjarako

Amin’izay fotoana izay hifampiantoraka isika

Hifamihina

Ho eo imolotro indray ireo teny mamintsika

Fahizay



      Veloma ry Iarivo, ry Iarivo mamin’ny fo

      Veloma mandra-pihaona tsy hanadino anao

      Rakoto matolo

      La-la-la.......




Partager rakoto matolo

Commenter rakoto matolo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jeroma Randria