4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hisy ahatsiarovanao ny anarako - Jeroma Randria

Hisy ahatsiarovanao ny anarako

Hisy hanembonanao ny fitiavako

Ny fo nitia, jamba nanantena anao

Eny, mbola hitomany ianao

Toy izao tomaniko izao



Mangahiahy (2) maratra ny ao am-po

Zao rehetra izao rakotr’aizina avokoa

Nilaozanao mbola tia ka tomany mahatsiahy

Irony dina izay natao ho tia anao



Hisy ahatsiarovanao ...



Efa nilazako ianao, nilazako ny tsiambarateloko

Efa notiaviko ianao, ny fitia tsy hay nafeniko

Nefa alahelo sy tomany nozakaiko noho izany



Hisy ahatsiarovanao ...



(miakatra 1/2ton)

Hisy ahatsiarovanao ...


Partager hisy ahatsiarovanao ny anarako

Commenter hisy ahatsiarovanao ny anarako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jeroma Randria