4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy mendrika ahy - FJKM

Tsy mendrika ahy mpanompo

Ny atao hoe "zanakao"

Kanefa Ianao ry Tompo

No niantso ahy izao

Izay manatona Ahy

Tsy ho laviko, hoy Ianao

Dia tamy aho ka sahy

Nanatona anao



Ianao no Madio

(Mba diovy aho re)

Ianao no Marina

(Mba hamarino aho re)

Ianao no Masina

(Mba hamasino aho re)

Tsy mendrika hitsimpona

Ny latsaka amin’ ny latabatrao aho

Kanefa hoy Ianao

"Izay manatona Ahy

Tsy ho laviko mihintsy"

Noho ny teninao, noho ny teninao

Dia sahiko ny manatona



Ianao no Madio

(Mba diovy aho re)

Ianao no Marina

(Mba hamarino aho re)

Ianao no Masina

(Mba hamasino aho re)

Mba diovy aho re

Hamarino aho re

Mba diovy aho re

Mba hamarino aho re

(Hamarino aho re)

Mba hamasino re

(Hamasino aho re)

Mba diovy, hamarino, hamasino re

Partager tsy mendrika ahy

Commenter tsy mendrika ahy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe FJKM