4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hadinoy ny anarako - Jeroma Randria

N’iza n’iza tsisy hilazako

Holazaiko an’iza nefa hoy ianao

Aoka ho ahy mangina ao am-poko ato

Ny ratran’ny fitia navelanao



Ny toera-mamintsika ho hahalala

Izaho no sisa no ho tonga ao

Ho tonga tsy hamangy anefa

Fa handalo dia hilefa

Veloma no hapetrako ao



Hadinoy ny anarako

Hadinoy ny amiko

Marina aho fa tia anao

Eny adala taminao

Nefa moa raha sitrakao

Ny handatsa ny amin’izany

Tsy maninona lazao

Nefa hoy aho hadinoy ny fitiavako



Ny lalana hiverenako mangina

Ny zavaboary haolo avokoa

Mangaina ny hilaozan’olon-tiana

Mangaina nefa atao ahoana moa



Raha misy feoko mety ho renao

Aza mierikerika intsony

Ako sisa mantsy ireny

Nofinofy fa tsy teny

Ny lalanao no tanteraho



Hadinoy ny anarako

Hadinoy ny amiko

Marina aho fa tia anao

Eny adala taminao

Nefa moa raha sitrakao

Ny handatsa ny amin’izany

Tsy maninona lazao

Nefa hoy aho hadinoy ny fitiavako....

Partager hadinoy ny anarako

Commenter hadinoy ny anarako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jeroma Randria