4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ianao - Jeroma Randria



Raha lazaina mantsy

Hafa ihany koa

Indray asabotsy hariva izay tao antrano



Izaho irery moa

Sorena be tokoa

Varimbarin’alahelo toy ny mamo



     Teo amparafara, teo no nitanisa

     Sarinao, penina sy taratasy

     Te hanoratra, te hihira koa

     Nifangaro anefa ireo tao am-po



Tsy tsaroako akory

Renoka aho natory

Nanonofy toa nahitanao hatrany



Nifoha avy eo

Hay nisy teo

Vetsovetso mba voasoratro ihany

  

      Teny ankiroa efa fantatrao

      Nosoratako tamin’ny sarinao

      Teny kely ihany, kely nefa mamy

      Mifono hasambarana tsy lany



           Teny tena mamy, toy ny loharano

           Miritsoka fitia manganohano

           Toa feom-baliha fararano

Partager ianao

Commenter ianao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jeroma Randria