4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Any indray andro - Feo Gasy

Any indray andro tsy maintsy mifaly

Any indray andro tsy maintsy tomany

Any indray andro tsy maintsy mifaly

Any indray andro tsy maintsy tomany



Ndrao ianao mihevitra fa tsy ho tratr’izany aloka

Fiaina-mandalo ny eto an-tany re rahavako ô !

Ndrao ianao mihevitra fa tsy ho tratr’izany aloka

Fiaina-mandalo ny eto an-tany re rahavako ô !



O ! Rahavako ô !

Ialao re ny fihatsaraham-belatsihy

Ao am-po maizina nefa ny vava tena misariaka



I Gasikara no tonga aty tsy misalasala

Angady mondro no entina miasa manalasala

Izahay zanak’omby tsy ampianarina milomano

Na ianao hitsidika, na hitranga, na hisava rano



Fa indrisy ianao ry tany filalaovako a ! A re roy e !

O ! Tsara ianao fa tsy azoko ianteherana e! A re roy e !

Fa ny tany be toratoraka a ! A re roy e !

Ao ny lanitra mbola hangoraka eny ô ! A re roy e !



A re roy eny e ! (3)

E ! e ! Nahoana hoa !



Aza maika ny hialoha lalana a !

Mihazakazaka tratran’ny miadana eny e !

Fa raha lasa aloha dia antsoinay a !

Fa raha tratra aoriana handrasanay a !

Fa izany ary no hananan-kavana

Partager any indray andro

Commenter any indray andro

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Feo Gasy

Suite