4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Raha maty aho - Feo Gasy

Raha ho avy ralala ny taona hodiako

Ao ambanin’ny tany tsindrian-drangolay

Ka vato no solon-kidoro hatoriako

Dia izao re no zavatra ataonao ahy





Voleo vonin-kazo eo an-dohan’ny fasako

Fotsy sy mavo ary manga sy mena

Aloe haniry eo mandram-pifohako

Mba hanofisako ‘lay fanekena



Ny fotsy fahadiovana

Misy aminao tsy mba azo lotoina

Toy ny orim-bato ‘zay nifanaovana

Soratra velona tsy azo vonoina



Ny endriny mavo ny fofony manitra

Dia fivavahana ataoko any an-danitra

Mba hitsinjovany anao tsy ho irery

Ombany raha sendra tsy misy mpijery



Ny manga ho mariky ny fihafiana ô

Niaraha nihritra zava-mangidy

D’ilay andro namoizan’ilay hafaliana

Niarahaniaritra zava-tsy fidiny



Ny mena ho mariky ny afo tsy maty

Mirehitra lava ao anatin’ny foko

Io ‘lay fitia, fitia tena anaty

Fitia voa-kasey sy ho voatomboka loko



Ny fasako ataovy ao an-drefan-tanàna

Ataovy mikasika ny laka mory

Soraty eo ny tenin’ny fanantenana

Tsy maty aho akory fa mbola matory



Eo amorondranon’ny be volotara

Jerijereo f’aza avela ho maina

Tarafo eo aho fa ho tsinjonao tsara

Tsy miala eo aho raha tsy efa maraina



Na dia maty aza anie zany tenako be

Ka hiraraka an-tany ny rà ao am-poko

Ny fitiavako anao ka mipetraka anie

Tsy mba ho maty ary tsy mba ho lo














Partager raha maty aho

Commenter raha maty aho

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Feo Gasy

Suite