4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ilay tany nihaviako - Feo Gasy

Rako-javona vao maraindraina zareo

Itony lemak’Ikopa

Fendrofendro mameno ity fo mitoreo

Ranomaso mirotsaka

Mbola lavitra mantsy ilay tany fodiana

D’ilay tany niaviana



Ngolingoly ao anatiko ao

Lavik’avana aty mora mankalao ry nao

Fa lavitra anao

Misoko miadana tsy mamela

Hery miafina iray tsy hay resena ry nosy

Fitiavako anao



Ndeha hody aho

Ho ento aho ray tongotro

Tsy aharitra ela intsony aho

Dia hikopaka



Taratr’andro osa osa miloko

Embonembona

Tampon’Ankaratra

Vezivezy tsy mety mitombona re

Ny ahiahy lasa lavitra

Sasa-mievina ireo lavi-tiana ry nao

Tsisy vovoka atao kilalao





Erick Rafilipomanana (Erick Manana)




Partager ilay tany nihaviako

Commenter ilay tany nihaviako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Feo Gasy

Suite