4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mananjary - Feo Gasy

Mianatsimo miantsinananana

No fizotran’ity lalana

Ho any Mananjary aho re’ory o !

F’izao vohitra ao izao

No namoizako anao

Ry ilay Iarivo tsy foy o !

Mbola teny antsasa-dalana

Dia nirotsaka mahalana

’Lay erikerika kely

Fambara fa vonon-kandray

Na dia efa hariva aza izahay.



Dia natao ho an’ireo mpiala sasatra ve ?

ô ô ô !

Dia natao ho an’ireo olon-dresy kosa ve ?

Asanao, asanao, asanao !



Kanjo nony harivariva

Ny masoandro efa iva

Io Mananjary fa hita ô !

Toa ampela tsisy tsiny

Mihaingo hariva handray vahiny

Sy miarahaba fa tafita ô !

Alokaloka voanio

Rivo-tsoa sy madio

Mampanadino an’Iarivo

Ilay fahanginany koa

Tsy manampaharoa tokoa



Dia natao ho an’ireo mpiala sasatra ve ?

ô ô ô !

Dia natao ho an’ireo olon-dresy kosa ve ?

Asanao, asanao, asanao !



Ho any Mananjary aho re’roy ô ! (4)

Partager mananjary

Commenter mananjary

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Feo Gasy

Suite