4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Malok'ila - Feo Gasy

Nihamalok’ila indray ny lanitra

Manjombon-takariva masoandro sasatra

Ny volon-drahon’iny tsy hay tazanina

Nipaika ity ilay ora fitsaharana



Nikopaka ny arosy tsy hay notanana

Hangina ny kamory nilaoza-namana

Fa tratra hariva irery an-tanin’olona

Tomany fa te hody ravalovotaka



Hatreo aloha ny anio ka aleo faranana

Izay vita no hifalio fa tam-pitiavana

Raha misy ny alahelo toneo tsy hiraraka

Ny ranomaso fero tsy hipatrapatraka



Satriko ny hitoetra tsy hifandao lala o !

Voatery hifametra fa lavi-dalana

Diavolan-ko lava, lalao koa mbola ho ela

Mbola hifanatri-tava izay no efa nekena





Erick Rafilipomanana

Ny ankamaroan’ny hiran’ny Feo Gasy dia tao amin’ny

http://www.geocities.com/TheTropics/Shores/2640/

Partager malok'ila

Commenter malok'ila

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Feo Gasy

Suite