4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Arotsahy dieny izao - Feo Gasy

I Dada malala, i neny tsy mba foy

Lasa nodimandry any am-pasa-mangina

Tsy ho hitako intsony

Ny sombinainareo, ny zanakareo

Miady amin’ny fiainana mafy dia mafy

Ka miantso vonjeo

Ny tanindrazantsika dia milentika ihany

Ny mpiray tanana dia migogogogo ary koa mitomany

Tsy ankizy tsy lehibe dia minaonaona

Fa olona noana

Ka mifampihinana marina mafy sy tsy mitafy



Vonjeo Andriamanitra ry Tompon’ny lanitra o !

Ny fahasoavanao arotsahy dieny zao o !

Hafaho mba hiala amin’ity fahantrana

Ho afaka izahay, eny mandrakizay !



Ry zandry tena tiana, zokibe toa ray

Mandeha mitady asa,

Tsy mety mahita ka mavaivay

Nenitoanareo, dadatoanareo

Miasa mafy amin’ny karama kely

Ka dia mitoreo

Ny nosy mamintsika

Dia mihemotra hatrany

Lalaovan’ireto mpanao pôlitika

Ka dia mitomany

Samy Malagasy no mifandritaka sy mifamitaka

Ihomehezan’ny hafa

Fa hafahafa tsy mahay mitafa



Vonjeo Andriamanitra ry Tompon’ny lanitra o !

Ny fahasoavanao arotsahy dieny zao o !

Hafao mba hiala amin’ity fahantrana

Ho afaka izahay, eny mandrakizay !




Partager arotsahy dieny izao

Commenter arotsahy dieny izao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Feo Gasy

Suite