4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy mankaiza - Feo Gasy

Eny, lanja-miakatra hatrany ny fiainan’olombelona

Ka tsy maintsy miezaka sady milofo

Amin’ny fitadiavana vola sy harena

Mba ho antoky ny ho avy



Kanefa ento ampahendrena

Ho mendrika izany fandresena





Eny, fadio ny avonavona sy amboambo fa ratsy

Satria nomen’Andriamanitra anao ny harena

Hanaovana adidy amin’ity firenena

Ka mahaiza re mamindra



Ny fiainana tena tsara indrindra

Dia ny fahaizana mamindra





Eny, mifankatiava ry velona an-tany

F’izany no tena tsara sy fahendrena

Satria izay lasa tsy nahazaka harena

Fa nofonosina lamba mena



Ka raha izany ary no jerena

Dia tsy mankaiza izay harena





Jean Colbert Ranaivoarison

Partager tsy mankaiza

Commenter tsy mankaiza

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Feo Gasy

Suite