4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mbola ho avy - Feo Gasy

Mbola ho avy ny andro hahatsiarovanao ahy

Amin’ny ora tsy ampoizimpozina,

Mbola ho avy ny andro hampahory ny fanahy

Hanembona ahy ianao ka hiodinkodina;



Mbola ho avy ê irony nenina ê

Hitsako ny hadalàna, hangidy izay telina ê

Mbola ho avy ê, hangirifiry be

Efa tsinjoko hatrety sahady fa ho ranomaso be



Mbola ho avy ny andro hanakoako an-tsofinao

Ireo dinantsika izay kosehinao

Mbola ho avy ny andro hivaly ny famerimbolanao

Hohitanao ihany izany tsirony



Mbola ho avy ê tsaroako tsara anie

Fony aho nilaozanao nahatsiaro fanina ê

Mbola ho avy ê, tsy ho ela akory anie

Dia higoka ianao ny ngidin’ny ranomaso nateliko ê.



Feo Gasy

Partager mbola ho avy

Commenter mbola ho avy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Feo Gasy

Suite