4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Rakoto frah - Feo Gasy



O! Rakoto...ahoana hoy aho

O! Rakoto...ahoana leisy

Tsofy ny sodina hiaraha-mifaly fa samy tary

Haingam-panahy avy any an-tsaha

Ny ao anatinao izay natobakao ka tena favy.



O! Rakoto

Voarotsinao tamin’ny sodinao izao tontolo izao

Toa nitsangam-bolo, nisy nitomany

Tsy nahafoy anao, tsy namela anao ny handao lampihazo.



Tazako an’eritreritra any

Ilay vohitra kely nilaozako ry tonaka e!

Tsinjoko manerinerin’any

Ny any fianarana any anie ry namako

Mbola hafa re.



I Besorongola aza raha nandre

Ny sodinao dia efa nikorisa

Avy any Ambozontany

Hatrany Andavale

Nievina ny maty

Hatrany am-paradisa.



O! Rakoto

Sitraka sy telina tsy hay nafenina no nataoko vazo

Mamy toa fary, madio toa fotsim-bary

Ny fahatsoranao,ny fahaizanao

Maharavoravo.


Partager rakoto frah

Commenter rakoto frah

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Feo Gasy

Suite