4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mpangata-bady - Jeneraly

Tovolahy malagasy iray no niroso hangata-bady

Tsy toy ny fanaon’ny rehetra fa hafa kosa ny azy

Fa izy irery ihany no nanatanteraka izany

Nandom-baravarana, nivoha ny varavarana

Tsy nisy arahaba fa avy hatrany dia nibada hoe

Taotaokatsaka tanim-parihy aiza ho anay Ikala Bozy ô

Taotaokatsaka tanim-parihy, tsy omenay izy e!

Taotaokatsaka tanim-parihy aiza ho anay ary ny zandriny vavy

Taotaokatsaka tanim-parihy, tsy omenay izy e!

Taotaokatsaka tanim-parihy aiza ho anay ary ty reninareo

Taotaokatsaka tanim-parihy, tsy omenay izy e!

Fa nahoana kosa re no dia manao an’izany

Sa ny ady varotra ve no mampanao an’izany ô!

Atakalonay reny ondry iray bevohoka

Tsy omenay izy e!

Atakalonay vorombe tena matavy

Tsy omenay izy e!

Atakalonay omby vositra akiroa

Tsy omenay izy e!

Atakalonay fo tanora tena soa e!

Omenay izy e!

Apetraho ary ny didinareo

Ny didinay dia efa, efa mipetrapetraka

Izay ary no izy ka arosoy amin’izay ty zanakareo

Lehibe ny ankizy ry Mama ô!

Ianareo koa angamba efa leo

Ka aza misalasala fa lehilahy marina no mijoro

Ianareo izao mahalala, izahay rahateo tsy atoro

Fa tiako izy ka entiko mody ô!

Sady efa lasa ny vody ondry

Ndao amin’izay ary ry Kala Bozy



Izay mahery, izay mahery voanjo manta

Izay osa, izay osa tanalaha

Partager mpangata-bady

Commenter mpangata-bady

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jeneraly

Suite