4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hihira aho - Jeneraly

Tsy hirahira noforonina izy ity

Na hetsiketsika ahazoana mandihy

Tsy hirahira ho an’ireo maty vady

Na koa hira ho an’ireo mafy ady

Fa hirahira ho an’ny antonintoniny

Amin’ny fiaraha-monina

Fa ny hirako dia vokatry ny tany

Tsy nila zezika fa vita teny ihany

Fa ny hirahirako dia vokatry ny saina

Ary ny fo no manome azy aina

Zarazaraiko amin’ny lafy valo

Hirahira kalokalo



Hihira aho, ho ahy samirery aloha

Hihira aho, ho an’izay miaina ihany koa

Hihira aho, ho an’ireo havako

Sy ho an’ny fahavaloko

Hihira aho, ho an’ireo havana

Na ny osa, na ireo manana

Hihira aho, fa tsy manavaka

Fa mpihira aho sy mpivavaka



Fa ny hirahirako dia hira malaky

Ka tsy voavoakan’ny olona katry

Fa izaho izay mihira dia mikasika ihany

Fa rehefa katry aho tsy mihira an’izany

Fa aleoko mihirahira milanto nefa tena kanto

Fa ny hirahirako tsy hiran-jiolahy

Na vetsovetso ho an’ny manam-panahy

Fa izaho izay mihira dia manana an’izany

Fa ny fanahiko somary kely ihany

Fa ampy hivelomako amin’ny androm-piainako

Ka tsy hitarainako

Partager hihira aho

Commenter hihira aho

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jeneraly

Suite