4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Môpera - Jeneraly

Hatramin'izay ka hatramin'izao
Eny fa voalazanao
Fa môpera dia tsy mba mijangajanga
Fa mijoro ho olona manga.
Dia mino koa ireo kely saina
Ireo mpanaraka ambokony ihany
Lasa mandohalika mitaraina
Sao mba hoafaka ny fahotana.

Môpera anie,aoka ho fantatrao
Dia toy ny olona rehetra
Nahavita izay ratsy efa vitanao
Saingy indrisy manafina toetra
Mahita ny akanjony lava ianao
Vaky vava fa izy no masina
Nefa lainga sy ompa ny an-dohany ao
Teti-dratsy izay tena miafona.

Alahady izy manao akanjo lavabe
porofy fa izy môpera
F'ankoatra izay dia mandehandeha
Mamangivangy mamêra
Tsy vitan'ny famangina anie
na mitsidika fotsiny ihany
Fa sady mamoaka n elo be
Eny amin'ny tenany izany.
( mba tsetsatsetsa tsy aritra,fa dia mitohy ny lanonana )

Partager môpera

Commenter môpera

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jeneraly

Suite