4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira ny toaka - Jeneraly

T O A K A JENERALY

♫♫ Ny toaka re mazana
Tena fandrika malama
Mahatonga fahotana
Ota be tsy hay tononina
Ny toaka re indrisy ny soa vitan'ny tsy misy
Fa vao maika koa nampisy Olana eo amin'ny fiaraha-monina
♪♪♪ Maro be ireo mafy ady anefa
Dia mbola misotro ihany misotro ihany
Efa hivarina any an-kady aza mbola misotro ô
Tsy mety fa efa tena miankin-doha
Ny maraina vao mifoha
Mangovingovitra
♫♫ Ny toaka re ranamana
Tsy mba sarotra hananana ,
Fa manary ny ao an-tanana
Ny kely ananana no lasany
Ny toaka re tsy ajanona
Na dia mila tsy ahavanona
Ho an'ny tsy mahalala onina
Botakely lasa tapany
♪♪♪ Efa niova hatramin'ny endrika
Mbola misotro ihany misotro ihany
Menamena hatramin'ny molotra
Mbola misotro ô
Tsy misy ny fihezahana hiala
Fa rehefa tena lasa adala
Vao afaka
♫♫ Ny toaka letsy ralahy
Be izay efa vita izay
Maninona raha hovaina indray
Tsy sanatria hovaina daina
Ny daina mantsy re-olona
Fahavalon'ny fiaraha-monina
Poizina tsy hay tononina
Aretina manimba saina
♪♪♪ Rehefa hita fa tsy lasa intsony
Dia mba aok'izay(2)
Tsy ho lany anie ny toaka sy rongony fa mba aoka e
Maninona ary zavatra hafa indray hatao
Ndeha manova kilalao
Mikitikitika
♫♫♫ Izaho anie ry zareo
Efa nisotro toa anareo
Farany navelako eo
Ny antony dia tsotra ihany
Raha samy hisotro daholo
Ny vahoaka manontolo
Iza indray no hanolokolo ?
Ireo mamo lava be vinany

Partager ny toaka

Commenter ny toaka

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jeneraly

Suite