4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Pelagie - Jeneraly

Na i Pelagie, na i mamitiana

Dia samy vehivavy, tena mahavariana

Eny samy kanto , eny samy soa

Ny momba azy ireo, voatantara avokoa

Fa i Dongadonga zanak’Ingahy Rafatra

Sady ngozabe izy no sady koa be tratra

Tsy misy tarehy, tsy volony fa taviny

Izy ngozabe fa kozatra ny vadiny



F’ireo olona voalazako ireo

Dia inoako fa tsy fantatrareo

Fa izaho mahalala azy tsara

Marin’izany matoa aho mitantara



Olon-kafa indray izao no tiako hotenenina

Dia tsy iza izany fa Ramadalenina

Izy io indray tia karazan-dahy

Ka tsy nahagaga raha niteraka vazaha

Ilay tena kanto, ilay mahavita azy

Ilay tiako indrindra Ikala Françoise

fa ny tsy tiako, tsy tiako amin’ny toetrany

Dia ity izaho napetrapetrany

Ankehitriny izy indray no misisika

Nefa izaho tsy dia marisika

Fa satria voasoloko izy

Nosoloiko an’i Madama Edvizy



Asa izany na marina

Asa izany na tsy marina

Mbola sarom-patarina



Dia mitohy indray mitohy ny tantara

Ka olon-kafa indray izao no tiana ambara

Ravaomaria ilay natsaka rano

Hatramin’izao tsy nody tato an-trano

Fa mba nankaiza  e, nankaiza tokoa

Hay nivaro-tena niaraka tamin’i Volasoa

Vehivavy adala tena midi-kizo

Voarebirebin’i Dadan’i Lemizo



Fa ireo olona voalazako ireo

Dia inoako fa fantatrareo

Satria hiraindry zalahy

Marina izany, anontanio i Benoit



Saika adino, ilay Dadafara

Ilay tsy eo intsony Said Omar

Izy io ilay vadin’i Mamalenina

Dia ilay vehivavy natao sezarenina

Partager pelagie

Commenter pelagie

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jeneraly

Suite