4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mompera - Jeneraly

Hatramin’izay ka hatramin’izao

eny fa voalazanao

fa Mompera dia tsy mba mijangajanga

fa mijoro ho olona manga.

      Dia mino koa ny kely saina

      ’reo mpanaraka ambokony ihany

      lasa mandohalika mitaraina

      sao mba afaka ny fahotany.

Mompera anie aoka ho fantatrao

fa toy ny olona rehetra

nahavita ny ratsy efa vitanao

saingy indrisy manafina toetra.

      Vao mahita ny ankanjony lava ianao

      vaky vava fa izy no masina

      nefa lainga sy ompa ao anatiny ao

      teti-dratsy izay tena miafina.

Alahady manao ankanjo lava be

porofo fa izy mompera

fa ankoatra an’izay dia mandehandeha

mamangivangy Mamera.

      Tsy mba vitan’ny mitoetra mangina anie

      na mitsidika fotsiny ihany

      fa sady mamoaka ’le mamy be

      manao ny tena ny daniny.

Partager mompera

Commenter mompera

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jeneraly

Suite