4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Isika roa - Jeneraly

Isika roa mpifankatia efa hatry ny ela
tsy niaraka intsony saingy nisy tavela
ireo taona maro niarahana hatrizay, eny aky
tsara angamba angamba raha iverenana indray

tsy iverenana iainana anefa
tsy hay antsoina intsony izay efa nilefa
fa ny tantarantsika kosa tsy hay kosehina satria
isika roa no ratsy fa tsy ny fitia

ianao dia sarobidy loatra teo amin'ny fiainako
fa tia ahy sy tena tiako koa
mamy tena mamy nefa niova ho mafaitra
toa iroa lopoitra ratsy zaitra

Ny antsika roa aloha dia tokantrano imaso
tsy hay tanterahina fa betsaka ny andraso
soa ihany koa tsy nisy izany, misaotra anao ry Ray
fa asa angamba izay ho fahorianay

Ianao dia notolorako fitia tena fitia
ngeza be ôtran'ny lohan-dry
tsy fantatro raha mbola any ihany izy io malala ô
izay no tena mila hahalasa adala

Ankehitriny anefa fantatro mazava
matoa izaho sy ianao toa miady lava
tsisy hafanana intsony ilay fitia fa efa matimaty
izany angamba no fitia lany daty

Ny lasantsika kosa mbola ataoko hira
ho tononkira mamy tsy manirasira
rehefa vita izany dia omeko ny tonony ianao
kanefa aoka tsy ho hitan'izay ho vadinao

na tsy natao hiaraka aza moa isika roa
efa niaraka ela ihany koa
raha misy tiana haverina irony tsindrindriana
ataontsika am-pifaliana

am-pifaliana indray no hamaranantsika
ity tantarantsika madiva ho vita
raha tsy manaiky intsony ianao ataoko ahoana akia malala ô
Ndeha mahazo any, za koa tsy te-hahalala

Partager isika roa

Commenter isika roa

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jeneraly

Suite