4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Dada malala - Jeneraly

Azafady ry Dada malala fa miantso ty zanakao

Tsy fantatro na mbola mihaino na tsy mihaino ahy ianao

Iza moa no hampita ny teniko aminao any ampasana any

Ny olon-drehetra nafarako, tsy hita fa tany dia tany

Tsy nisy niverina intsony fa be re tofoka sy renoka

Manadino ny tsiron’ny tany va re ka nisitaka

Te hiverina nefa tsy afaka mihidy rahateo moa ny fasana

Kalokalo ary sisa no azoko atao

Mba hitabatabako isan’andro aminao ô!



Dada malala ô ô ô

Mampamangy amin’ny rehetra

Tsy hoe sanatria re miadaladala

Fa ny reviko reviko ihany

Dada malala ô ô ô

Razana ianao fa tsy olona

Raha iny hono ianao ka miverina

Dia tsy anisan’ireo fokonolona ô ô ô an an!

Tsararatsororotsararatsororotsararatsaranzatselééééé



Miala tsiny ry maty rehetra izay mbola toa resin-tory

Miteny aminareo izahay nefa toa tsy mba renareo akory

Ny aty efa manerinerina re rahoviana ianareo no hiverina

Aoka tsy ho alina nefa fa matahotra ireo velona rehetra

Tsy laitran’ny balan’ny fanadinoina hisehon’ny angatra

Tsy aleo ve amin’ny atoandro ianareo vao mipongatra

Ilazao izay dadako izay fa niandry hatry ny ela izahay

Fa izy foana no antsoantsoina

Ka asaivo mamaly fa manafitohina ô!



Dada malala ô ô ô .......



Miala tsiny ry avelo rehatra izay mirenireny

Nahoana no anontaniana kanefa toa tsy miteny

Moana ary ve sa marenina sa kosa tsy azo tenenina

Avelo efa ratsy fanahy manao izay mahasosotra ahy

Manadala ny velona ve sa tsy misy sa kosa mananihany

Tsy misangy amin’ny maty aho ry dada ka aza dia be vinany ô

Aoka tsy hifan’alika fa maty sy velona isika

Niaraka ihany ve tety an-tany

Dia aiza no dia hisy an’izany ô



Dada  malala ô ô ô ....

Partager dada malala

Commenter dada malala

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jeneraly

Suite