4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ilay vehivaviko - Jeneraly

Lasan’olon-kafa ’lay vehivaviko

Lay saika,andrindrandrindra ny ho aviko

Na izany aza,tsy tiako ny hiverenany

Fa naleko nanadino ny aminy.



            Na dia taitra, dia mody tsy taitra,

            fa sao lazainy hoe, tatajaitra

            Tsikitsiky lalan-dava, miran-dava

            Na dia voa,dia mody tsy voa

            fa voa maika hadola ny loha

            Tsy mitanondrika na kivy,fa be ny ankizy



Indraidray aho anefa mahatsiaro ihany

mahatsiaro ireo kilalao,ela tany

Tsy tiako intsony anefa, ny hamerina indray

fa izay vita,naman’ny vita dia ampy izay



           Na dia toro,dia mody tsy toro

           fa kely ihany dia tsy maitsy mijoro

           Tsy mitaraina velively, na kely dia kely

           Na dia simba, dia mody tsy simba

           Fa mandray rano amin’ny zinga

           Kotsakotsaina re ny loha, dia tony ny fo



Hiverina indray hono, lay vehivaviko

ho raisiko ve sa kosa, ho laviko

Vao tonga izy dia nakeny am-parafara

avy hatrany dia napetrako ny gitara



            Na dia ilaiko, dia mody tsy ilaiko

            fa somary ampifilafilaiko

            Herinandro vao nitranga, lay vehivavy janga

            Na dia tsy tiako dia mody mba tiako

            Fa avy eo dia ariako

            Tsisy intsony ilay fitia,fa zory ny dia.


Partager ilay vehivaviko

Commenter ilay vehivaviko

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jeneraly

Suite