4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Dadabe - Jeneraly

Tantara iray ndray alina izay

Teny amin’ny toeram-pilalaovana anankiray

No nahatazanako tsy nahy

An’i dadabeanay

Vehivavy iray mihanahana

Efa godraky ny hadalana

No misakambina azy

Tena nigagana

Fahotany ve izany sa tsia ?

Raha toa miverina indray i dada mba hanao fitia

Nenibe any an-tanana tsy mahalala izany hadalana

Mihevitra fa eny amin’ny diavolana izy

No mitantara angano sy milalao amin’ny ankizy

Tara i Nenibe, diso i Nenibe

Dadabe am’zany mba miezaka ihany an, an !

Mba manararaotra farany

Manohy ny tantarany

Na izaho aza mba menatra

Nefa miezaka ny hamantatra

Miezaka ny hamantatra ny fiainan’ireo lahiantitra



Nony afaka adin’ny iray

Dia indro i Dada fa andeha hody am’zay

Ny fandehany toa mivembena

Ny tarehany feno lokomena

Taitra i Nenibe dia nihoraka

Nahita sotrobe dia nitoraka

Taitra i Nenibe, nisafoaka i Nenibe

Dadabe am’zany efa bilabila ihany an, an !

Nojerena ny pôketra, tsy tao ny vola rehetra e !

Teo vao nipetraka ny fanontaniana,

Nankaiza ny firotsaka ?

Nozaraina sa nariana ?

Ny valiny nomen’i Dadabe dia

Sady nozaraina no nariana !

Ary mbola nampiany tamin’ny hoe

Sady nozaraina no nariana !

Ary nofaranany tamin’ny hoe

Sady nozaraina no nariana !



Nony afaka adin’ny iray

Dia indro i Dada fa andeha hody am’zay

Ny fandehany toa mivembena

Ny tarehany feno lokomena

Taitra i Nenibe dia nihoraka

Nahita sotrobe dia nitoraka

Taitra i Nenibe, nisafoaka i Nenibe

Dadabe am’zany efa bilabila ihany an, an !

Nojerena ny pôketra, tsy tao ny vola rehetra e !

Teo vao nipetraka ny fanontaniana,

Nankaiza ny vola aman-karena ?

Nozaraina sa nariana ?

Ny valiny nomen’i Dadabe dia

Sady nozaraina no nariana !

Ary mbola nampiany tamin’ny hoe

Sady nozaraina no nariana !

Ary nofaranany tamin’ny hoe

Sady nozaraina no nariana !

Partager dadabe

Commenter dadabe

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jeneraly

Suite