4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ilay vehivako - Jeneraly

Ilay vehivaviko

Lasan'olon-kafa 'lay vehivaviko
Lay saika,andrindrandrindra ny fiainako
Na izany aza,tsy tiako ny hiverenany
Fa naleko nanadino ny aminy.

Na dia taitra, dia mody tsy taitra,
fa sao lazainy hoe,handraidraitra
Tsikitsiky lalan-dava,miran-tava
Na dia voa,dia mody tsy voa
fa voa maika hadola ny loha
Tsy mitanondrika na kivy,fa be ny ankizy

Indraidray aho anefa mahatsiaro ihany
mahatsiaro ireo kilalao,ela tany
Tsy tiako intsony anefa,ny hamerina indray
fa izay vita,naman'ny vita,ampy izay

Na dia toro,dia mody tsy toro
fa kely ihany dia tsy maitsy mijoro
Tsy mitaraina velively,na kely dia kely
Na dia simba,dia mody tsy simba
Fa mandray rano amin\'ny zinga
Kotsakotsaina re ny loha,raha toro ny fo

Hiverina indray hono,lay vehivaviko
ho raisiko ve sa kosa,ho laviko
Vao tonga izy dia nakeny am-parafara
avy htrany dia napetrako ny gitara

Na dia ialiko,dia mody tsy ilaiko
fa somary ampifilafilaiko
Herinandro vao nitranga,lay vehivavy janga

Na dia tsy tiako dia mody mba tiako
Fa avy eo dia ariako
Tsisy intsony ilay fitia,fa zory ny dia.

Partager ilay vehivako

Commenter ilay vehivako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jeneraly

Suite