4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Izany vehivavy izany - Jeneraly

Izany vehivavy izany

Nomeko ny hatanorako

Vao tojo azy aho dia avy hatrany

Manitikitika ny hadalako



Izany vehivavy izany

Navahako tanatin’ny maro

Nampifaly izy, nampitomany

Ary tena hita fa nahasaro-piaro



Tsara tarehy matoa nambabo ahy

Tsara tarehy no tsara fanahy

Tsy hitanareo nefa tsy aiza fa

Eo anilako eo

Mibanjina ahy, mandray ny tanako

Manoroka ahy, miantso ny anarako

Tsy renareo, izaho anefa toa mandre ilay feo

Feo o !



Izany vehivavy izany

No mahalala ny tantarako

Tsaroako tsara fa mbola izy ihany

Namadibadika ny anarako



Izany vehivavy izany

Anisan’ny tena be fitiavana

Tsy anjely akory fa olona ihany

Kanefa hita fa tia havana



Mahalala izany ny fianakaviana

Mahatsapa izany ireo namana tiana

Fa izy anie sady masiaka no tsotra be

Tsy hitanisa ireo izay nampiany aho

Fa tsy hita isa ireo izay nitalaho

Ka novonjeny

Na ireo ankizy na ireo ray aman-dreny

Eny o !



Izany vehivavy izany

Namela mamy ho an’ny zanany

Nangatahako ny Ray any ambony any

Mba handeha tsara ny fianarany

Izany vehivavy izany

Hiraiko mba ho fahatsiarovana

Tsy hisento intsony aho na hitomany

Satria ny foko efa torovana



Fantatrareo fa tsy latsaka akory

Fantatrareo fa tsy hipody intsony

Nefa na izany ny embona azy

Dia mitoetra eny ihany

Na ny voady nifanoloranay

Sy ny adiady izay nifanaovanay

Tantaranay ka nahatonga ahy hanao

Izay hira izay

Izay o!



Izany vehivavy izany ! (2)

Ny embona azy dia mitoetra eny ihany

Izany vehivavy izany ! (2)

No nahatonga ahy hanao izay hira izay

Partager izany vehivavy izany

Commenter izany vehivavy izany

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jeneraly

Suite