4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Sôsisy - Jeneraly





Angamba heverinao tokoa fa ianao no tiako

Tsy ianao no tiako fa ianao no nofidiko

Hiarak’amiko hifaly anio ihany

Nefa hita eo ihany raha mety tokoa izany



Iangaviko anao fotsiny anio hariva

Rehefa hilentika ny masoandro na efa hadiva

Hanao izay mety hahatomombana sy mety

Dia mba nitondrako rôzy mena sy viôlety



Tsy ilaina akory ny miteny eny aminareo

Efa nolazaiko avokoa ry zareo

Andao amin’izay fa efa iny ny fiara

Ka mpamily indray no ataontsika eny afara



Raha ny sakafo indray aky dia efa misy

Efa nitondra aho mofodipaina sy sôsisy

Ny rano indray efa nitondrako terimôsy

Jereo kely eo an-tsisin’ilay sakôsy



Ny fiverenana indray dia ny maraina

Amin’ny fito eo ho eo, rehefa avy makahaka aina

Fa mety hifarana hatreo koa ny amintsika

Ka ny manaraka indray dia mbola ho hita



Io indray aky dia miankina amin’ny fifanarahana

Na mety ho bien, na mety tsy ho bien ny fiarahana

Ampitso no alalana izany aky satria

Miankina amin’ny hafanan’ilay fitia



Raha ty tokoa ianao ka lasa dia ahoana

Tsy aleo indray ve mba miandry kely, miandry roa taona

Dia ho hita eo ihany raha ampiana kely indray

Na ho mety koa, na mety koa ho mandrakizay (x3)


















Partager sôsisy

Commenter sôsisy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jeneraly

Suite