4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tango - Jeneraly

Izao hira izao no entiko hanambara etoana

Ilay fotoana tsy hay hadinoina

Fotoana izay niarahantsika tany an’ala

Fa tany indrindra isika roa no nifanadala

Nioty vonikazo teny amoron-kady

Toa mpanambady andro alahady

Nitangotango foana dia nandihy

Nandihy salegy teny amoron’ilay farihy

Ny siokam-borokely

Izay reko lavitra eny

Ireny no mozika

Izay nandihizantsika

Nakipiko ny masoko nangovitra ny molotro

Saika hilaza zavatra aho kanefa tena vahotra aho

Fa vetivety teo

Injay nisy feo

Toa feon’angorodao

Hay va re ka feonao

Nibitsika mangina

Nitady fatoriana

Fa vizambizana aho ka niala sasatra

Novelariano teo amin’ny tany ny lambahoany

Tsara aoka izany toa anao ihany

Dia teo indray isika roa no nandihy

Fa nangatsiaka teo amoron’ilay farihy

Nihanalefaka ny feon’ny mozika

Nandihizantsika tsy nisy nahita

Tsy nisy koa nahare izany hira izany

Afatsy izaho sy ianao ihany

Tsy nahalala nody

Fa tsara fanafody

Ka tany an’ala tany

No saika hamorona akany

Ny lanitra no tafo

Fitia ni sakafo

Raha vitan’izany moa

Maninona tokoa

Indrisy rediredy

Ianao ve tsy ho bedy

Kanefa azo atao

Raha manaiky i Mamanao

Lazao azy mangina

Ny tena fifaliana

Fa any an’ala any

No ahitana an’izany

Dia izany!

Tsy

Partager tango

Commenter tango

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jeneraly

Suite