4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Toaka - Jeneraly

Ny toaka re mazana

Tena fandrika malama

Mahatonga fahotana

Ota be tsy hay tononina

Ny toaka re, indrisy

Ny soa vitany tsy misy

Fa vao maika koa mampisy

Olana eo amin’ny fiaraha-monina



Maro be ireo mafy ady

Mbola misotro ihany, misotro ihany

Na efa hivarina any an-kady aza

Mbola misotro o !

Tsy mety fa efa tena miankin-doha

Ka ny maraina vao mifoha

Mangovingovitra



Ny toaka re ranamana

Tsy mba sarotra hananana

Fa manary ny ao an-tanana

Ny kely ananana no lasany

Ny toaka anefa tsy ajanona

Na dia mila tsy hahavanona

Ho an’ny tsy mahalala onina

Bota kely lasa tapany



Efa miova hatramin’ny endrika

Mbola misotro ihany, misotro ihany

Menamena hatramin’ny molotra

Mbola misotro o !

Tsy misy ny fihezahana hiala

Fa rehefa tena lasa adala

Vao afaka



Ny toaka letsy rahalahy

Be izay efa vita izay

Maninona raha ovaina indray

Tsy sanatria ovaina daina

Ny daina mantsy rey olona

Fahavalom-piaraha-monina

Poizina tsy hay tononina

Aretina manimba saina



Rehefa hita fa tsy lasa intsony

Dia mba aoka izay, aoka izay

Tsy ho lany anie ny toaka sy rongony

Fa mba aoka e !

Maninona raha zavatra hafa indray atao

Ndeha manova kilalao

Mikitikitika



Izaho anie zareo

Efa nisotro toa anareo

Farany io navelako eo

Ny antony dia tsotra ihany

Raha samy hisotro daholo

Ny vahoaka manontolo

Iza indray no hanolokolo

Ireo mamolava be vinany ?

Partager toaka

Commenter toaka

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jeneraly

Suite