4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Traina - Jeneraly

Marobe ireo olona mitraina

Na ny maivan-doha izany na ny manan-tsaina

Mamely daholo

Hatramin’ny fotsy volo

Mian-dahy miam-bavy tena marina mafy

Fa ireo izay mahalala onony

Amin’ny antonony

No vanon-ko olona



Misy any am-bovo manao izay mety

Misy any ivelany miseho ho vedety

Hatrany amin’ny Bar

Hatrany amin’ny Gara

Ny sasany hita eny amin’ny mpivarotra masikita

Ka rehefa lany volabe

Tsy misy afa-tsy frais

Vao mandeha



Sao ianareo misaina avy hatrany

Fa izaho mitantara koa dia anisan’izany

Tandremo kely tsy izany velively

Fa raha mba indraindray kosa no izany tokoa

Kanefa izany tsy milaza

Fa ny bandy mamo lava

’Ty vava e!



Izaho izay mihira eto tsoriko amin’ty

Tsy nihira teto aho raha tsy nisy ny pi

Tsy saro-kenatra aho akory vahoaka ô!

Fa ny filinina no mety tsy hivoaka

Kanefa izany tsy milaza

Fa ny bandy mamo lava

Ty vava e!



Fa raha ny velona aza no mitraina

Ny razana koa dia tsy mba miala maina

Fa ny hany tena mahagaga kely

Ny razana tsy katry velively

Fa rehefa mahatanty sôka

Amin’ny herin’ny toaka

Tsy mitsoaka e!

Partager traina

Commenter traina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jeneraly

Suite