4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Arovy ny zaza (lola - Lahy)

AROVY NY ZAZA



Aza avela hirenireny eny ny zazakely

Taizao amin’ny fomba mendrika foana

Ombieny ombieny

Hananany fiainana tsara

Rehefa lehibe ho soa fiafara

Adidin’izay niterana no miahy ny zanany

Andrikiny hatrany hatrany vitao ny fianarany

Ho olom-banona any aoriana

Handrandrain’ny fianakaviana



Arovy ny zaza ry ray aman-dreny aza dia variana

Arovy ny zaza tandremo sao dia hananan-tsiny

Ny fitaizana sarobidy loatra amin’ny zaza

Jereo akaiky raha tianao ho ara-dalàna

Arovy ny zaza, arovy fa io no harenantsika

Arovy ny zaza, jereo fa io no reharehantsika



Ry Ray aman-dreny aza atao tsirambina ny zaza ho’a

Nareo no nahatonga an’iny teto f’aza miala pà

Izy anie tsy manantsiny f’aza dia ampijaliana



Tsarovy fa voninahitrao raha mahatafita zaza

Ny hazo no vanon-ko lakana

Ny naniriany no tsara

Raha tsy nety ny anao areno amin’ny zanakao

Partager arovy ny zaza (lola

Commenter arovy ny zaza (lola

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lahy)

Suite