4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Miangavy (lola - Lahy)

Lay fotoana kely niarahantsika roa

Hita fa samy naka fy tokoa

Fankan-drivotra fohy nandalovanao

Izaho tsy nahafoy ianao nandao

     Taty ambanivohitra aho f’ianao antanandehibe

     Toa zary nifanohitra ilay fitia no zava-dehibe

     Ianao no namonjy fodiana f’izaho no toa farariana

     Tsy zakako tokoa marary ny an-doha



Miangavy mitalaho aminao aza ariana

Tsarovy fa misy olona iray tsy manadino

Raha izaho manokana

Dia mbola tokana

Ny ato am-poko, ny ato an-tsaiko

Ianao no lalaiko.



Ireny teny mamy nifanaovana

Mahatsiaro irery aho fa nilaozana

Tsy andriko ny andro izay hihaonana indray

Hikajy mafy aho fa efa fay

     Ny elanelan-tany tsy zovina intsony

     F’ilay fitia ihany amintsika no ambony

     Ianao moa efa fantatra fa mbola mianatra

     Tsy maintsy izaho ihany no miakatra.

Partager miangavy (lola

Commenter miangavy (lola

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lahy)

Suite