4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ilazao izy fa (lola - Lahy)

ILAZAO IZY FA



Ilazao izy fa mbola tiako

Ianareo mantsy mihaona matetika any am-piangonana any

Tsy hadino hono hoe ny sekoly alahady

Nahafanatarany anao

Niorim-paka nitoetra anatiny ao

Ilazao izy fa mbola mamiko

Na toetra na bika sy fiainany

Tena laniko

Fotoana sisa no andrasana kely

Fa efa vita tsianjery

K’izay andro izay no volan-tantely



Anjarako ianao izaho dia mino

Mivavaka isan’andro tsy adino

Ianao foana, ianao foana no ao an-doha

Raha ny momba ahy ny fo sy fanahy

Lasanao aza manahy

Anjarako ianao izaho dia mino

Mivavaka isan’andro tsy adino

Ianao foana, ianao foana no ao an-doha

Raha ny momba ahy aza manahy



Ilazao izy  mbola tsy foiko

Tsy miala ato an-tsaiko izy ilay norohako

Tadidy hono hoe tamin’ny mbola kely ilay fitiavana

Nitombo ka nahazo vahana



Anjarako ianao izaho dia mino

Mivavaka isan’andro tsy adino

Ianao foana, ianao foana no ao an-doha

Raha ny momba ahy ny fo sy fanahy

Lasanao aza manahy

Anjarako ianao izaho dia mino

Mivavaka isan’andro tsy adino

Ianao foana, ianao foana no ao an-doha

Raha ny momba ahy aza manahy





"Lôla a ! Misaotra eeeeeeee"

Partager ilazao izy fa (lola

Commenter ilazao izy fa (lola

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lahy)

Suite