4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fihavanana (lola - Lahy)

FIHAVANANA

Ny fari-piainana tsy voatery hitovy

Mety ho ambany f’izao no tsarovy

Hajao ny zoky na manana na ory

F’aza manaiky asavoanan’ny vola



Zava-dehibe ny fananan-karena

Indrindra indrindra raha misy fahendrena

Apetraho amin’ny toerany ny Ray aman-dreny

Fa tsy izay rehetra manam-bola no ekena



Réf

Ny zoky dia zoky hatrany

Ny zandry dia zandry ihany

Na be voninahitra aza izay tadidio

Ny vola sy harena tsy natao hanamboniana tena

Fihavanana jerena



Izao koa no tsarovy ary tadidio

Tsy hay tsy hay ny ampitso tsy ohatran’ny anio

Mifankatiava isika namako ô

Fifanajana ihany havako ô !



Manetre tena maninona moa

Fa ny saintsika mihitsy no efa voa

Izay manetry tena no hasandratra

Izay no andeha hatao filamatra




Partager fihavanana (lola

Commenter fihavanana (lola

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lahy)

Suite