4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Lazao (lola - Lahy)

Niezaka foana aho nanaja ilay nofidiko

Nolaviko hatrany izay rehetra  fa ianao no efa tiako

Efa fantatrao loatra avokoa ny ato am-poko malala o!

Dia nohararaotinao izany , izay sitrakao ihany no notoavina hatrany

Ireo tambitamby fahiny dia tsy voatanisa

Nankaiza izany ankehitriny fa toa nofy sisa

Rehefa diso tiana tokoa ny olona iray

Dia manjaka ,migafy, mampirafy

            Lazao izay tianao atao, hambarao

            F’izaho hanokan-tena ho anao

            Tia aho , tia anao hatrizay ka hatramin’izao

            Eny mandra-maty izany no voady ato anaty.

Hatramin’izao aho na ny hanompy maso ny hafa aza tsy haiko

Fa ilay sarinao no mazava mibahana ato an-tsaiko

Nahoana kay no mampijaly rehefa mba ohatr’izay

Aoka izay raha mbola any ihany ilay fitia tany am-piandohana

            Lazao izay tianao atao, ambarao

            F’izao hanokan-tena ho anao

            Tia aho, tia anao hatrizay ka hatramin’izao

            Eny mandra-maty izany no voady ato anaty.

Partager lazao (lola

Commenter lazao (lola

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lahy)

Suite