4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ray Ô (lola - Lahy)

1.   Ray ô misaotra Anao lehibe tokoa anie aho

      Ray ô tamy zava-tsoa marobe nomenao

      Ray ô tsy voatanisa anie izy ireny fa dia maro

      Misaotra Anao

      Midera Anao

      Tsy mendrika ny hiantso ny anaranao akory

      Satria mpanota

      Be koa ny adalan’izay vita

      Mifona aho Ray hiezak’aho ny hanara-dia Anao

      Mamelà

      Ny helokay avelao



Fiv.:   Tsinontsinon’akory aho Tompo ô

          Zava-poana rah’tsisy Anao

          N’inon’inona heriko

          N’inona fahaizako

          Tsinontsinon’akory aho Tompo ô

          Zava-poana rah’tsisy Anao

          N’inon’inona heriko sy fahaizako



2.   Na mafy aza ny manjò sy ny fiainanay etY

      Matoky aho manan’Anao mitantana manoro dia

      Tsy irery aho na dia kamboty mahantra kely Ray ô

      F’Ianao no miahy

      Ianao tia ahy

      Na mafy aza ny manjò sy ny fiainanay etY

      Mbola matoky aho manan’Anao mitantana manoro dia

      Tsy irery aho na dia kamboty mahantra kely Ray ô

      F’Ianao no miahy

      Ianao tia ahy

      Hatrizay

Partager ray Ô (lola

Commenter ray Ô (lola

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lahy)

Suite