4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Rahoviana (lola - Lahy)

Tiako tiako ankafiziko loatra izay fiarahana izay

Tamoron-tsiraka moa , tsara ny andro tamin’izay

Fahatsiarovana teo amin’ny fiainako

Ilay fahatsoram-ponao nambabo tokoa

Ranomaso nilatsaka teo am-pisarahana

Dia nanamafy ny hafatra izay nifanaovana

Satriko foana ny hitoetra eo anilanao anie

Ny fotoana koa manam-petra voatery mandeha



           Rah’oviana indray vao ho hitako ianao ry tiako

           Tsy andriko intsony ny fotoana tokony hidinako

           Angamba raha izao no mitohy tsy ho zakako

           Asa izay hanjo!

           Rahoviana e ? Rahoviana indray ?



Ilay sary nomenao ahy ho fahatsiarovana

dia sasatry ny oroka hanembonana

Asa ianao any izay raha manao ahoana

Antenaiko koa fa toa ahy koa malahelo foana

Fa ny tsara indrindra avy amiko no natolotro

Sarobidy loatra tamiko fa nomeko avokoa



           Rah’oviana indray vao ho hitako ianao ry tiako

           Tsy andriko intsony ny fotoana tokony hidinako

           Angamba reha izao no mitohy tsy ho zakako

           Asa izay hanjo !

           Rahoviana e ? Rahoviana indray ?

                                              LOLA

Partager rahoviana (lola

Commenter rahoviana (lola

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lahy)

Suite