4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ndao namako (lola - Lahy)

Zava-doza mananontanona

Ny aretina avy amin’ny firaisana

Indrindra raha tsy voaaro

Tsaboy haingana

Raha vao misy ahiahiana

Ny vatanao, aza variana

Tsarovy fa dokotera ihany

No hany tokana mitsabo izany



Ndao namako ô!

Hitsabo tena dia salama

Ndao namako ô!

Amin’ny toeram-pitsaboana ihany

Ndao namako ô!

Toromarik’i radoko arahana tsara

Ndao namako ô!

Diso lalana ianao raha toa tsy izany



Ny aretina avy amin’ny firaisana

Mety tsy hita maso nefa dia mamindra

Maro karazany ny fisehoany

Tsy mitovy koa ny fitsaboana

Tsy maintsy tsaboina ihany koa

Ny olona niarahanao

Mba ho sitrana tanteraka

Ny fanafody mila taperina



Ndao namako ô!

Hitsabo tena dia salama

Ndao namako ô!

Amin’ny toeram-pitsaboana ihany

Ndao namako ô!

Toromarik’i radoko arahana tsara

Ndao namako ô!

Diso lalana ianao raha toa tsy izany



Tsy hahazoanao taranaka

(raha tsy voatsabo)

Miandry anao ny homamiadana

(raha tsy voatsabo)

Fahazoana ny VIH / SIDA

(raha tsy voatsabo)

Dia ho simba ny hoavinao



(x2)

Ndao namako ô!

Hitsabo tena dia salama

Ndao namako ô!

Amin’ny toeram-pitsaboana ihany

Ndao namako ô!

Toromarik’i radoko arahana tsara

Ndao namako ô!

Diso lalana ianao raha toa tsy izany

Partager ndao namako (lola

Commenter ndao namako (lola

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lahy)

Suite