4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Don-davitra - Feo Gasy

Don-davitra mahamanina

Don’akaiky mitrahotraho

Ka matahotra aho



Midona any lavitr’any hoy aho

Mandrahona mainty

Manombana takariva ô !

Ilay oran-ko avy

Kibobo manjohizohy ny fiainana an-tany

Tsiriry manifi-drano hoy aho

Ny aina mitempo

Vovo any anaty rano izao

No miandry mahazo

Mpanjono eny amoron-drano

Miandry vintana sy anjara



Fa ny dobo dia manam-paharitana

Fa ny trondro voarain’ny fintana

Miandrasa ny anjara sy ny vintana

Fa ny lanitra voaravaka kintana





Philibert Rabezoaza

Partager don-davitra

Commenter don-davitra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Feo Gasy

Suite