4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira I gasikara (lola - Lahy)

I GASIKARA



Maro ny tany nandehananay e

Hafa avao raiky izay e

Tsy korana rô na resaka fanatsarana

Tsara tokotry e

Hoy endry e, Misaora Zanahary e !

Hoy iaba, nanome Gasikara (2fois)



Europe Afrika Amerika Azia Australie

Mbola hafa ny aty

Raha nosy tsy misy ohatr’azy azafady Baba

Manankarena malalaka i Gasikara

Hoy endry e, Misaora Zanahary e !

Hoy iaba, nanome Gasikara (2fois)



Réf

I Gasikara tsara io ka tsara (tsara)

Mivandy izay tsy tamana

I Gasikara tandremo zalahy

Lovan’ny dimby sy fara



Karazan-tsakafo na an-tanety na an-dranomasina

Maro ao tsy lany harena an-kibon’ny tany

Hitsangatsangana koa mahazo mahatoky

Ny zava-maniry tsio-drivotra mandrotsirotsy

Hoy endry e, Misaora Zanahary e !

Hoy iaba, nanome Gasikara (2fois)

Adalan’ireo matimbola mpangoron-karena

Mambotry mandetika hatrany ity firenena

Eritrereto fa ny razambe dia nahafoy ny ainy

Fantany tsara ny hahasambatra ny taranany

Hoy endry e, Misaora Zanahary e !

Hoy iaba, nanome Gasikara (2fois)


Partager i gasikara (lola

Commenter i gasikara (lola

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lahy)

Suite