4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Modia amin'izay - Iary

Raha handeha ianao hanalavitra ahy

Sarotra ny tsy hahatsiaro

’Lay endrikao

Hampamiratra ilay ho avy antenaina

Ny antony handehananao

Miandry eto aho



Raha ho any ianao

Dia aza adino aho

’Lay tena tia

Sasa miandry anao

Tsy manadino

Tsy mba  mahafoy anao



’Lay masoandro hidify iny izao

Hafarako hivetso anao

Ilay fitia zay

Tsy lefy ao am-poko ao



Raha handeha ianao

Hanalavitra ahy ..........



’Reo fotoana

Mamiko

Iriko hiverina eto indray

Fa tiako ,lalaiko

Ilay eo anilanao



Volana o,tomaratra ry

Vetsoy eto am-poto-tsofiny

Tongava malaky hoe ,

Fa sasa miandry aho aty.



Raha handeha ianao

Hanalavitra ahy ...........



Oroka, tambitamby

’Zay nahazatra ahy

Ho anao ity foko tia

Modia amin’ izay

Partager modia amin'izay

Commenter modia amin'izay

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Iary

Suite