4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Frère jacques - Jeneraly

Frère Jacques(2), aiza ianao(2)

Miandry any Ikala Martine(2), miandry anao(2)

Sasa-miandry eny Antaninarenina

Kala Martine sakaizanao

Tsy maintsy mody izy anefa amin’ny enina

Vonjeo any sao tara ianao

Fa ilay vazaha izay mampiasa azy

Tena tsy mivazivavazy

Izy anefa mba te-hilalao

Hisangisangy, hisangy aminao

Raha tsy tonga hono ianao Razaka

Ny trondro omeny ny saka

Ilay vazaha aza rehefa mamomamo

Mila hanadino ny ao an-trano

Marina fa Ikala Martine

Kala tsy aninona tsy aninona

Nefa asa fa toa mahatamana

An’ireo sinoa sy karana



Frère Jacques(2), aiza ianao(2)

Miandry any Ikala Martine(2), miandry anao(2)

Ny amin’ny enina efa latsaka fahefany

Kely sisa izy dia handeha

Efa mamboamboatra ny entany

Ilay entana mavesatra be

Kanjo teo ihany dia nisy nanontany hoe

Iza no andrasanao izany

Sasa-miandry an’i Razaka tsy hivalana

I Paoly indray no tonga nisalotra ny lalana

Raha tsy tonga hono ianao Razaka

Ny trondro omeny ny saka

Rehefa tsy andrasana i Paoly dia tonga

Tovolahy tsy misomonga izy e!

Fa vetivety tokoa

Nifanaraka sahady izy roa

Izay Razaka vao mikasa ny ho any

Ny trondro efa tsy ao am-bilany



Frère Jacques(2), tara ianao(2)

Tsy any intsony Ikala Martine(2) Izay ny anao(2)

Partager frère jacques

Commenter frère jacques

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jeneraly

Suite